Haranitan-tsaina voatr' olombelona

Ny haranitan-tsaina voatr' olombelona dia sampanan' ny kajimirindra izay mandinika sy mamolavola ary mampandroso milina asy rindrankajy marani-tsaina. Amin' ny teny frantsay izany dia atao hoe intelligence artificielle (izay hafohezina amin' ny hoe IA); fa amin' ny teny anglisy kosa dia artificial intelligence (izay hafohezina amin' ny hoe AI).

Rôbô ASIMO izay manana kaptera sy mampiasa aligôritma mivoatra hahafahany midina tohatra

Taranja siantifika manan-tanjona ny hanome fahafahana mamaha olana an' ny milina ny AI. Ny hamaha olana no tanjon' ny rafitra manana azy. Ny lalao videô, ny rôbô, ny rindrankajy mampiasa lôjika manjavozavo ary ny tambajotra neorôna no rindrankajy efa mampiasa haranitan-tsaina voatr' olombelona.

Fahazoana ny eritreritra

hanova

Ao amin' ny fandihihana ny haranitan-tsaina voatr' olombelona dia hita misongadina ny AI tsotra sy ny haranitan-tsaina ara-kajy (anglisy: Computational Intelligence na CI).

Mifototra amin' ny fianaran' ny milina manao, izay miseho amin' ny endriky ny fôrmalisma sy ny dinika ara-statistika, ny AI tsotra. Ny fampiasana AI tsotra dia fampiasana:

Mampiasa famerimberenana ny haranitan-tsaina ara-kajy. Ny fampiasana ny haranitan-tsaina ara-kajy dia voafaritra amin' ny:

  • fampiasana tambajotra nerônina (anglisy: neural network): manavanana ny rafitra amin' ny famantarana endrika;
  • rafitra tsy mazava (anglisy: fuzzy logic): fizohian-kevitra ampiasaina amin' ny rafi-pifehezana ny entana amidy ankehitriny.
  • kajimirindra mivoatra: fampiharana amin' ny voan-kevitra toy ny isan' ny mponina, ny fivoaran' ny fihetsika ary ny faharetan' ny rafitra zatra indrindra izay hahitana ny vahaolana tsara indrindra.

Zarazaraina ho aligôritma mivoatra (ohatra, aligôritma jenetika) sy haranita-tsain' ny andiana (ohatra, aligôritman' ny vitsika) ireo fomba ireo.

Fampiasana

hanova

Taranja mampiasa AI

hanova

Ny sehatra mampiasa ny AI dia:

  • ny banky, amin' ny alalan' ny rafitra mpahay izay maminavina ny zava-dratsy mety hitranga rehefa mamela tsotra (credit-scoring);
  • ny tafika, amin' ny alalan' ny rafitra mahaleotena toa ny drôna sy ny rafitra fibaikoana sy fanampiana hanapa-kevitra;
  • ny ankamaroan' ny lalao videô ankehitriny, manomboka amin' ny lalao eseky hatramin' ny lalao tifitifitra lalaovina eo amin' ny tambajotra;
  • ny fitsaboana, amin' ny alalan' ny rafitra mpahay manampy ny mpitsabo mamantatra ny aretina;
  • ny lôjistika;
  • ary ny fibeazana

Jereo koa

hanova

Tsiahy

hanova

Bokin-dahatsoratra mikasika ny AI

hanova

Tantaran'ny AI

hanova

Loharanon-karena hafa

hanova


 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  翻译: