Fiteny kiorda

Ny fiteny kiorda na fiteny korda na fiteny kordisy dia fiteny ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana, ao amin' ny sampana misy ny fiteny iraniana andrefana. Ny vahoaka kiorda izay miisa 44 tapitrisa any ho any sady monina amin' ny faritra midadasik' i Kordistàna, izay voazara amin' i Torkia sy i Iràna sy i Iràka ary i Siria, no tena mampiasa azy. Ahitana vahoaka kiorda koa ny any Eorôpa sy ny Etazonia sy ny any Kanada ary ny any Aostralia.

Soratana amin' ny vondron-tarehin-tsoratra telo karazana ny fiteny kiorda amin' izao, dia ny tarehin-tsoratra latina (ao amin' ny Kiorda any Torkia sy Siria), ny tarehin-tsoratra sirilika (ao amin' ny Kiorda any amin' ny tanin' ny Firaisana Sôvietika taloha) ary ny tarehin-tsoratra arabo (amin' ny Kiorda ao Iràka sy Iràna).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Fiteny iraniana sasantsasany: fiteny zazaky - fiteny ôsetiana - fiteny lôry - fiteny kiorda - fiteny farsy - fiteny dary - fiteny tajiky - fiteny pastô - fiteny balotsy - fiteny gilaky - fiteny talisy - fiteny mazandarany.