Orange actu Madagascar’s Post

🔴Tany amin’ny 182 Km avaratra Atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben’ny rivodoza mahery vaika (Cyclone Tropical Intense) CHIDO androany 13 desambra 2024 tamin’ny 7 ora maraina. Mitondra rivotra 185 Km/ora izy, arahina tafiotra 260 Km/ora manakaiky ny foibeny, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Mizotra miakandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 23 Km/ora i CHIDO. 🔹Efa mikasika ny faritra Avaratry ny Nosy ny rahona mialoha an’i CHIDO. Mihatra ny filazana loza mitatao miloko mena ho an’ny faritra DIANA sy ny distrikan’i Vohemar. Mihatra amin’ny distrikan’i Bealanana, Antsohihy, Analalava, Sambava ary Andapa kosa ny filazana loza manambana miloko mavo. Tsy miova ny vinavina mahakasika ny ho lalany izay tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 70 Km Avaratry ny tanjona Bobaomby anio tolak’andro, amin’izao sokajy misy azy izao. 🔹Tombanana ho 4 ka hatramin’ny 8 metatra ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka Avaratra Atsinanana sy Avaratra Andrefana mandritra ny fandalovany, ary mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ireo toerana mora tondraka izany, raha ny fanazavana hatrany. Araho ao amin'ity rohy ity ireo vaovao mitranga eto Madagasikara : https://actu.orange.mg/

  • chart

To view or add a comment, sign in

Explore topics