GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY
FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 198), MADAGASIKARA 16 MARTSA 2020
TANTERAKA MANERAN-TANY IRETO VOALAZA IRETO ANKEHITRINY, JEREO NY DATY FA OKTOBRA 2017 NO NAVOAKA TANY AMIN’ NY FACEBOOK IZAO FAMINANIANA IZAO, AMPATSIAHIVANA ANTSIKA SADY EFA IREO IHANY KOA NY VAHAOLANA
HAFATRA S-13, 15 Oktobra 2017: ZAVA-MIAFIN’NY LANITRA SY NY TANY
“AHY JEHOVAH ny zava-miafina fa anareo sy ny zanakareo mandrakizay kosa ny zavatra ambara mba hankatoavinareo ny teny rehetra izay aloaky ny vavako.” Deotoronomia 29/28
FAHATEZERAN’NY TANY, RIVOTRA, AFO, RANO
“MAIKA”
IZAHO JEHOVAH ILAY mahalala ny zava-miafina ihany no mbola miteny eto sy manafatra eto ankehitriny. Fantatro fa maro amin’izay monina ambonin’ny tany sy mitoetra ambany masoandro no tsy mino, tsy faly, tezitra ary tsy te-hanonona na tsy te-hiteny izany Anarako hoe “JEHOVAH” izany akory. Vakio tsara moa ny Baibolinao ê! Ary aza asiana ady hevitra, andanianareo fotoana ny Amiko, kanefa ny loza sy ny zava-miafina tonga ihany, miseho ihany, tsy voatohitrareo mihitsy. Ny zava-miafina tsy fantatrareo olombelona dia ity: “NY MPAMONJY” sy ny “MPANAVOTRA” mihitsy no tsy tianareo ary halanareo ka dia ringana hianareo. Adinonareo ilay teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: Asan’ ny Apostoly 2:21 “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i JEHOVAH dia hovonjena”. Tsy miandry rahampitso izany, tsy amin’ny herinandro, fa anio ihany. Izay miantso ny Anaran’I JESOSY no hovonjena. Ry firenena maneran-tany ô! Antsoy JESOSY, antsoy IZY, minoa AZY. Mangataha izay ilainao Aminy, na dia tsy hitanao maso aza IZY. Teneno Izy fa hianao dia mpanota, mpanao meloka, dia ho hitanao sy ho tsapanao ny fitiavany, ny famonjeny ary ny “HERINY”. Mba andramo anie ny miresaka Aminy ê! Nahoana moa Aho JEHOVAH no miteny toy izany? Efa nambarako taminareo fa tezitra hoy AHO JEHOVAH ny “AFO, RANO, RIVOTRA, ary ny TANY”. Satria voaloto izy ireo. Masina mantsy ireo, arak’izay namoronako azy. Aza adino fa miaina izy ireo. Ary anisan’ny anto-pisiany dia aina ho anareo olombelona. Fantaro tsara ary noho izany fa miaina izy ireo, miresaka ihany koa, faly ary mety tezitra mihitsy. Efa nambarako tamin’ny hafatra teo aloha fa mifanampy izy efatra ireo, sady mifamelona koa. Ny zava-doza misy ankehitriny anefa dia tsy mifandray intsony izy ireo ka izany no mahatonga izao zava-misy mihatra amin’ny mponin’ny tany izao, ary tena mandringana, mamono mahafaty mihitsy. Rivo-doza, Afo milatsaka, Rano miakatra, ny zava-misy dia izao: “tsy hay tohaina izay tonga, tsy mijanona raha tsy afa-po amin’ny fahatezerany. Ny rivotra tsy mety tony, ny rano tsy mety mihena, ny afo tsy mety maty. Mampalahelo ny zava-misy ry zanak’olombelona. Ity ary misy loza mitatao akaiky dia akaiky ry mponin’ny tany. Raha kristiana ianao, mivavaha, miraisa am-bavaka, mba hijeren’I JESOSY anareo sy hamonjeny anareo. Indro hisy “horohoron-tany” lehibe latsaka kely nohon’ny tamin’ny andron’I AMOSA voasoratra ao amin’ny Baiboly. Tsy vitan’ny tany hihorohoro fotsiny fa HIVAVA mihitsy ny tany ka hikorotsaka ny tanàna. Mampitahotra izany, mampalahelo, hisy fikisahana ampahana tany koa, fiovan-javatra maro izay tsy voafehinareo olombelona mihitsy no fiantraikan’izany. Harin-karena tsy milamina intsony, sakafo saro-tadiavina, fiainana miova, tany tsy afaka hambolena nohon’ny horohoron-tany izay miteraka fiovana amin’ny endriny maro, fiovaovan’ny toetr’andro, lao ny toerana, kivy ny olona, reraka ny saina sy fanahy. Manoloana ireo zava-misy ambany masoandro anefa dia hiteraka fifindra-monina ambany masoandro izany. Tsy eken’ny firenena maro anefa izany ka indro samy hanidy ny sisin-taniny avy ny firenena. Ry mponin’ny tany ô! Haingàna mivavaha, mibebaha fa izany ihany no fanafody farany. Finoana fa misy AHO JEHOVAH, fahatahorana Ahy, manaiky sy mankato izay lazaiko, mino izay irahiko eo aminareo. Aoka izay ny ady hevitra, ny fifampiandaniana fa FIFANKATIAVANA izao no ilainareo fifandraisan-tanana.
Farany, hisy “MOSARY” amin’ny tany sy ARETI-MANDRINGANA tsy ahitam-panafana vokatr’ireo AFO,TANY, RIVOTRA, RANO mihetsika tsy misy fitsaharany ireo. Ry olombelona ô! MIVERENA AMIKO JEHOVAH HIANAREO ry ZANAK’OLOMBELONA
Zakaria 1:3 “Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro”. Miandry ny Fiverenanareo AHO. Henoy ao amin’ny mpaminany AHO fa ao AHO no miteny sy milaza zava-miafina. Misaotra anao mandray. Mifampivavaha ry firenena fa IZAHO JEHOVAH no miteny.
Amen!
Mbola hitohy.
Amen!
JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY
Telephone : 033 12 461 43, 034 44 966 48
E-mail: jehovahandriamanitra@gmail.com
Facebook : Jehovah Andriamanitra page
Radio:
- Antsiva, FM 97.6, Alarobia maraina 5ora 45min- 6ora
- Soa Radio, FM 96.8, Alahady maraina 6ora 30min -7 ora
- RMK, FM 102.4, Asabotsy 12 ora -12 ora 30min
Gazety efa miara-miasa, Ny Valosoa Vaovao (www.gvalosoa.com): mivoaka Talata sy Asabotsy