GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA
FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 199), MADAGASIKARA 19 MARTSA 2020
Jaona 13: 34 “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.”
Ho an’ ny zanak’ olombelona rehetra ambany masoandro tsy an-kanavaka, avaratra, andrefana, atsimo, atsinanana. Moa ve tsy efa naverimberiko taminareo ireny HAFATRA mifandimby nandalo novakianareo ireny? Tao ny gazety, tao ny facebook, tao ny radio, tao ny e-mail. Tsy tokony ho gaga izay nandre sy namaky fa nanamafy vavaka no natao. Ry olombelona maneran-tany o! avereno vakio ireny HAFATRA Special ireny dia ho hitanao ao ny fiverimberenen’ ireto FILAZANA sy FAMPITANDREMANA ireto: Fifohazam-panahy Lehibe sady farany, fibebahana, fahatezeran’ ny afo, tany, rivotra, rano izay miteraka karazana loza isan-karazany maneran-tany. Asongadina manokana I Madagasikara noho ilay ASA LEHIBE ataoko JEHOVAH ao, ny fananganako ny FANJAKAKO. Efa voalazako ao izao zava-misy mitranga eo aminareo izao, ny tapak’ I Madagasikara ho tondra-drano, ny tapany ho maina kina tsy misy rano, ny toetr’ andro miovaova, ny tsy faneken’ ny olona ny valim-pifidianana, ny mosary sy areti-mandringana, tsy hanaiky izay LALÀNA itondrana sy apetraka aminy ny Malagasy, maro e! fa vakio fotsiny. Indro misy HAFATRA haveriko, VAKIO MANOKANA ireto ary aza adino ireo Hafatra Special rehetra S10 sy S15 fa fampiomanana anareo sy ireo izay nivoaka gazety toy ny GV 34, GV 39, GV 40, GV 41, GV 43.
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------
HAFATRA S-10, 02 Oktobra 2017: ZAVA-MIAFIN’NY LANITRA SY NY TANY
“AHY JEHOVAH ny zava-miafina fa anareo sy ny zanakareo mandrakizay kosa ny zavatra ambara mba hankatoavinareo ny teny rehetra izay aloaky ny vavako.” Deotoronomia 29/28
IZAHO JEHOVAH maneho FISAORANA anareo rehetra nanatrika sy nihaino AHY tao an-tranompokonolona ANALAKELY ny Alarobia 27 Septambra 2017 teo. Misaotra fa nihaino ianareo tamin’ireo zava-maro nambarako, tamin’ny alalan’ny mpaminany izay nanaiky nataoko fitaovana. Misaotra fa nahafoy fotoana nihaino AHY hianareo mikasika:
- Ilay Fifohazam-panahy farany, izay hataoko eo amin’ny Firenenareo Malagasy.
- Ny Fananganako ny FANJAKAKO
- Ny zava-misy any ivelany
Ho avy ny fotoana handefasana ny HAFATRA tao, ao amin’ny facebook-nareo mba vakio ihany!
Farany: Hanomboka ny fahaverezan-kevitra maneran-tany. Mosary, fahirano, areti-mandringana, toetr’andro miovaova, ady an-trano, tsy mifampatoky intsony ny Malagasy. VERY HEVITRA tanteraka ny Malagasy ho ambony ambany, ho ambany ambony. Haingana MIBEBAHA! Mba hiala ireo voasoratra etsy ambony. Mivavaha, miandry anao JESOSY.
Amen
JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY.
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------
Toy izao no tiako hataonareo sy tokony ho fiainanareo: misaotra ho an’ izay efa manao fa ampio foana hisy vokatra sy fahafaham-po. Inona ary izany? VAVAKA, VAVAKA, VAVAKA. Io ihany no VAHAOLANA amin’ ny zavatra rehetra tadiavinareo sy katsahinareo ary irinareo. Toy izao no mba angatahiko manokana aminareo fa IZAHO efa niteny sy nanome toky hoe TSOFIN’ NY FOFON’ AIN’ NY VAVAKO izay LOZA eo aminareo. Ny isa 3 – 7 – 12 dia misy dikany AMIKO JEHOVAH. Toy izao no hataonareo: isaky ny mandalo ireo ora ireo hianareo dia mivavaha ka miankohofa mandritry ny FITO MINITRA. Ny tonom-bavakao dia misaotra AHY JEHOVAH, misaotra an’ I JESOSY ary ny FANAHY MASINA. Isaky ny amin’ ny 7 hariva kosa dia ny MPIANAKAVY kosa no takiako hiaraka hivavaka mandritra ny adin’ ny iray, izany hoe amin’ ny 8 ora alina kosa no mijanona ny mpianakavy. Aoka tsy hisy himenomenona fa izay tsy te-hanao dia mangina fotsiny fa ny hafa te-hahita ny VONINAHITRO JEHOVAH. Mba fantatrao? Rehefa mivavaka toy ireo toro-marika ireo ry Daniela kanefa izy ireo dia BABO, tsy niseho va ny VONINAHITRO? Nanaiky ny HERIKO tao aminy ny MPANJAKA ka nanao FANEKENA fa hanompo ny Andriamanitr’ I Daniela. Izany hoe namoaka didy ho an’ ny vahoaka. Daniela 6: 26-29 “Tamin'izany Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany rehetra hoe: Hitombo anie ny fiadananareo. Manao lalàna aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela eran'ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin'ny farany. Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy etỳ an-tany, ary Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny herin'ny liona. Ary izany Daniela izany dia nambinina tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kyrosy Persiana.” Ataovy ny baiko fa ho tahaka ny tamin’ ny andron’ I Daniela no hataoko, indrindra ho an’ I Madagasikara fa FIRENENA voafidy hanehoako ny HERIKO sy ny FANAPAHAKO izy. Daniela 2: 46-47 “Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin'i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy. Ny mpanjaka namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.” Ataovy ry mponin’ ny tany. Raha sendra an-dalana ianao no tratran’ ny fotoana fiankohofana AMIKO dia mivavaha anakampo, raha sendra ao an-trano kosa dia miankohofa amin’ ny tany fa ho AHY JEHOVAH izany sady fomba fanao AMIKO nanomboka teo amin’ I ADAMA izany fa tsy zava-baovao akory.
Amen!
Mbola hitohy.
Amen!
JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY
Telephone : 033 12 461 43, 034 44 966 48
E-mail: jehovahandriamanitra@gmail.com
Facebook : Jehovah Andriamanitra page
Radio:
- Antsiva, FM 97.6, Alarobia maraina 5ora 45min- 6ora
- Soa Radio, FM 96.8, Alahady maraina 6ora 30min -7 ora
- RMK, FM 102.4, Asabotsy 12 ora -12 ora 30min
Gazety efa miara-miasa, Ny Valosoa Vaovao (www.gvalosoa.com): mivoaka Talata sy Asabotsy