HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020
HAFATRA MANOKANA (S-60), MADAGASIKARA 4 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO
Isaia 46/8-10 “Tsarovy izany, ka mahereza ianareo; Eritrereto tsara izany, ry mpiodina. Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa IZAHO no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; IZAHO no Andriamanitra ka tsy misy tahaka AHY, Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory… Dia ilay manao hoe: Ho to ny Fikasako, Ary hefaiko ny Sitrapoko rehetra.”
Ry olombelona ô! Hainao ve ny mamaky io soratra io? (Soratra tsy fantatra miaraka amin’izao hafatra izao). Soratanako JEHOVAH io ka tsy hainao vakiana izany, na hanao inona ianao na hanao inona, ary na ho aiza na ho aiza. Raha hainao ny mamaky io dia ho fantatrao izay ho avy. Toy izao no Teniko aminao: “ZAVA-MIAFINA” ny fiainanareo. Aleo mivavaka sy mibebaka fa mbola hisesisesy ny loza izay tsy hahitam-panafana sady TAMPOKA mandrakariva an! Maneran-tany izay ho tonga, ho aiza hianareo? Hanao inona? MIVERENA dia horaisiko indray. JESOSY no VAHAOLANA. Mivavaha ka aza mitsahatra, ary mbola manome toky fa MPAMONJY ao amin’I JESOSY AHO. Mba irinareo ve ny FANJAKAKO JEHOVAH? Miraisa saina sy hevitra mba ho iray ihany hianareo fa mbola vao manomboka ihany ny zava-drehetra. Ho ambony ambany, ambany ambony. Mba minoa amin’izay dia aoka izay ny faniratsirana AHY JEHOVAH. Tandremo fa antomotra ny zava-drehetra. Hianareo ve mihevitra fa tsy mampalahelo AHY izao zava-misy ambany masoandro izao? Mivavaha dia aza mitsitokotoko intsony fa iray ny fahavalontsika dia i losifera.
Mahereza ry Firenena rehetra fa mijery anareo AHO JEHOVAH.
AMEN
JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY
Ny nomeraon’ny Mpanompon’Andriamanitra: 03312 46143, 03444 96648, 03258 96677 antsoy izy raha misy tianao hanontaniana na hihaonana. Aelezo maika izao mba ho fantatry ny olona, afaka angatahinao eto ny CD tokana mirakitra ireo fichier Word hafatr’i JEHOVAH mivantana efa maherin’ny 450 isa efa nandeha teto nanomboka taona 2012 izay nahazoana baiko avy amin’i JEHOVAH haseho fb ho hitan’ny besinimaro: hafatra 001 hatramin’ny hafatra GV202, ny hafatra S (Spécial) rehetra. Efa misy ekipa mpanompon’Andriamanitra mandika izany amin’ny teny vahiny koa.
FANDAHARANA AMIN’ NY RADIO “JEHOVAH miteny mivantana” IHAINOANAO IZAO HAFATRA IZAO
- ANTSIVA FM 97.6 : Alarobia maraina amin’ ny 5ora sy 30 mn : 15mn
- RMK FM 102.4 : Asabotsy amin’ ny 12 ora atoandro : 30mn
- SOA radio FM 96.8 Antananarivo sy ITASY hatrany Ankadinondry Sakay : Alahady maraina 6 ora sy sasany: 30mn
COMPTES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO AO AMIN’NY JOURNALNY (mur na journal fa tsy MP Mpanompon’Andriamanitra mpiandraikitra no voatendry hampita ireo ao amin’ny facebook, email sy ao amin’ny Radio) :
- Jehovah Andriamanitra
- Jehovah Mpanjaka Mandrakizay
- Faminaniana Sy Fanambarana
- Miteny ny Lanitra (io IHANY no kaonty mbola malalaka handray amis fb)
- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany
- Situveu Lelouer (teny frantsay)
- Heistheone Waytoheaven (teny anglisy)
PAGES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO IHANY KOA :
- Faminaniana sy Fanambarana ho an’ izao tontolo izao, (publication nanomboka 2012)
- Jehovah Andriamanitra page, (publication nanomboka 2012)
- Unique Vérité Chrétienne (teny frantsay)
- Know Everything (teny anglisy)
- Je veux Toutsavoir (teny frantsay)
EMAIL : Jehovahandriamanitra@gmail.com