VAVAKA HO AN'​ NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

Aucun texte alternatif pour cette image

FANAMBARANA, FANAMBARANA, FANAMBARANA, FAMONJENA, FITIAVANA, FAMINDRAM-PO

FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 189), MADAGASIKARA 06 FEBROARY 2020     

Salamo 107: 20a:”Nandefa ny Teniko AHO mba hahasitrana azy”              

Androany 9 Febroary 2020 tamin’ny 12 Ora atoandro; ry zanak’olombelona tsy ankanavaka ambany masoandro! Iza no tampi-dalan-kaleha amin’izao fiainana izao? Iza no very hevitra? Iza no matahotra ho faty? Iza no mihorohoro sy mangovitra ? Iza no tsy mahita fanafana mihitsy? Iza no malahelo am-panahy ? Iza no te-hovonjena? Iza no tsy manan-kalahatra intsony? Hoy AHO JEHOVAH tamin’ny hafatra teo aloha manao hoe: “Nankaiza ny manam-pahendrena sy ny manam-pahalalana? Aiza ireo milaza fa manam-bola? Manan-karena? Aiza hianareo mpikaroka? Hianareo voalaza fa be voninahitra sy manan-daza? Mba valionareo hoe AHO JEHOVAH? Tahaka ny tsy hahalalanareo mamaky io soratra tsy fantatra io no tsy hahalalanareo izay tiako hatao, eo amin’izay noforoniko. Mampalahelo AHY hianareo fa tsy misy afa tsy IZAHO irery no mahalala sy mahafantatra ny momba anareo olombelona. Eny na dia ny singam-bolonareo anankiray fotsiny aza, ka hatramin’ny isany dia fantatro tsy misy mahalala ny famoronana nataoko eny na izay ho fiafarany koa aza . Hoy ny teniko aoamin’ny mpitoriteny 11/5: “Toy ny tsy hahafantaranao ny amin’ny alehan’ny rivotra no tsy ahafantaranao ny amin’ny fitombon’ny taolana ao ankibon’izay manananaka. Dia toy izany no tsy hahafantaranao ny asako JEHOVAH  Mpanao ny zavatra rehetra” Toy izany ny tiako hambara: Indro efa nandefa anjely Aho isam-pirenena satria fantatro izay ho avy sy ho tonga eo aminareo ka toy izao ny famindrampoko mba tsy hahalany ringana anareo dia handefa anjelin’ny rano AHO handritra izany amin’ny toerana izay misy izany toa an’i Madagasikara sy izay misy izany koa. Hampitsahatra ny areti-mandringana izay mandringana anareo tsy misy fitsaharana AHO toa ny ao CHINE izany. Hampiato ny ady tsy misy fiafarany AHO ho an’ireo izay firenena feno rà mandriaka . Ary hamonto ny tany izay misy mosary sy tsy fisian-kanina indrindra any amin’ireny tany maina ireny koa. Anjely no alefako hanatanteraka izany asa lehibe izany fa tsy hainareo olombelona izany. Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahiko JEHOVAH Tompon’ny maro irery ihany (Zakaria 4/6), Matio 19/26: “Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ny olona izany fa hain’i JEHOVAH ny zavatra rehetra” I Korintiana 1/29: “mba tsy hisy nofo hahazo hirehareha eo anatrehako Jehovah”. I Korintiana 1/31: ‘mba ho araka ny voasoratra hoe: “Izay mirehareha, aoka JEHOVAH no ho reharehany” Jeremia 9/23:”Fa izay te hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao; Dia ny fahendreny sy ny fahalalany AHY ho JEHOVAH; Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin’ny tany fa izany no sitrako JEHOVAH”

Toy izao no fomba hanatanterahako izany AMIN’NY ANARAN’I JESOSY:

-         Foana ny areti-mandringana

-         Ritra ny rano

-         Mitsahatra ny ady

-         Levona ny afo

-         Mitony ny tafiotra

Ny fofon’ain’ny vavako no manefa izany miaraka amin’ireo anjely miara-miasa AMIKO. Nahoana AHO JEHOVAH no tonga amin’ny fotoana tahaka izao ambany masoandro? Ny antony dia misy fiainana tsy tokony iainan’ny zanakolombelona akory kanefa ataony. Misy fotoana izay hitsanganan’i losifera hanoherana AHY JEHOVAH hampianarany ny olona hankahala fahamarinana handehanana amin’ny faharatsiana ary hamotehana ny tany. Dia nandefa anjely any AHO ankoatra ireo 1860 ireo handritra ny rano any. 3m anie ny rano ary amin’ny lemaka ambany mahatratra 6m ary raha mahare ianao dia miziriziry ny rano tsy mety ritra ka dia halefa izay. Indro AHO handefa anjely handritra ny rano any amin’ny toerana izay tsy mety ritra. Dia izao indro AHO handefa anjely any amin’ny eny amin’ny toerana. Indro Aho JEHOVAH mandefa anjely izay avy aty an-danitra mijoro amin’ny vazan-tany efatra mandinika ny tany ka hitondra izany hiverina aty Amiko satria mbola tsy fara andro izao fa fanombohan’ny zavatra rehetra izany/ Manatona fa ho vonjeko . Miantsoa fa mihaino AHO ary aza matahotra fa momba izao tontolo izao AHO. Mampalahelo Ahy hianareo zanak’olombelona) . Farany, IZAHO JEHOVAH rehefa manao asa lehibe ambany masoandro dia anjely no ampiasaiko. Halefako any ny anjelin’ny tany, ny anjelin’ny rano sy ny anjelin’ny rivotra hanao ny asany. Misaotra anareo mponin’ny tany rehetra AHO. Avelao AHO hiteny fa mahasoa anareo izany Amosa 3/7 :”Tsy manao na inona na inona tokoa AHO JEHOVAH Tompo raha tsy milaza ny hevitro amin’ny mpaminany mpanompoko”. MIVAVAHA HIANAREO OLOMBELONA REHETRA AMBANY MASOANDRO.

Amen! Mbola hitohy.

Amen!

JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY

Misy Mpanompon’Andriamanitra efa voatokana mandray anao: 03312 46143, 03444 96648, 03258 96677 antsoy izy raha misy tianao hanontaniana na hihaonana.

Aelezo maika izao mba ho fantatry ny olona, afaka angatahinao eto ny CD tokana mirakitra ireo fichier Word hafatr’i JEHOVAH mivantana efa maherin’ny 450 isa nahazoana baiko avy amin’i JEHOVAH haseho ho hitan’ny besinimaro, efa nandeha rehetra teto nanomboka taona 2012: hafatra 001 hatramin’ny hafatra GV187, ny hafatra S (Spécial) rehetra. Efa misy ekipa mpanompon’Andriamanitra mandika izany amin’ny teny vahiny koa.

FANDAHARANA AMIN’ NY RADIO “JEHOVAH miteny mivantana” IHAINOANAO IZAO HAFATRA IZAO

- ANTSIVA FM 97.6 : Alarobia maraina amin’ ny 5ora sy 30 mn : 15mn

- RMK FM 102.4 : Asabotsy amin’ ny 12 ora atoandro : 30mn

- SOA radio FM 96.8 Antananarivo sy ITASY hatrany Ankadinondry Sakay : Alahady maraina 6 ora sy sasany: 30mn

COMPTES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO AO AMIN’NY JOURNALNY (mur na journal fa tsy MP) :

- Jehovah Andriamanitra

- Jehovah Mpanjaka Mandrakizay

- Faminaniana Sy Fanambarana

- Miteny ny Lanitra (io no kaonty mbola malalaka handray amis fb)

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany

- Situveu Lelouer (teny frantsay)

- Heistheone Waytoheaven (teny anglisy)

Mpanompon’Andriamanitra mpiandraikitra no voatendry hampita ireo ao amin’ny facebook sy ao amin’ny Radio

PAGES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO IHANY KOA :

- Faminaniana sy Fanambarana ho an’ izao tontolo izao, (publication nanomboka 2012)

- Jehovah Andriamanitra page, (publication nanomboka 2012)

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany English

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany Français

- Unique Vérité Chrétienne (teny frantsay)

- Know Everything (teny anglisy)

- Je veux Toutsavoir (teny frantsay)

GAZETY EFA MIARA-MIASA :

Ny Valosoa ( Talata sy Sabotsy ihany)

EMAIL : Jehovahandriamanitra@gmail.com

 


Para tumingin o magdagdag ng komento, mag-sign in

Higit pang artikulo ni Hosana NY AVO Lantonirina

  • HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-60), MADAGASIKARA 4 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Isaia 46/8-10…

  • HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-59), MADAGASIKARA 3 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Lioka 21/26 “Ka…

  • HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA FAHA-S 58 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 02 Aprily 2020 Jeremia…

  • HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA FAHA-S 57 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 31 Marsa 2020 Ezek 5/11 « Eny raha…

  • HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA (S-56), MADAGASIKARA 29 MARTSA 2020 Apok 22/2: FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO…

  • VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    HAFATRA MANOKANA (S-53), MADAGASIKARA 25 MARTSA 2020 Amosa 3:7 “Tsy manao nainona na inona tokoa IZAHO JEHOVAH TOMPO…

  • TORO-HEVITRA COVID 1

    TORO-HEVITRA COVID 1

    HAFATRA MANOKANA (S-54), MADAGASIKARA 27 MARTSA 2020 Isaia 1/28 “Ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota…

  • GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 198), MADAGASIKARA 16 MARTSA 2020 TANTERAKA MANERAN-TANY IRETO…

  • GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 199), MADAGASIKARA 19 MARTSA 2020 Jaona 13: 34 “Didy vaovao no…

  • REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    Message du 06/01/2020 Matthieu 21/43 : »C’est pourquoi, ajouta Jésus, Je vous le déclare : « Le Royaume de JEHOVAH vous…