HAFATRA MANOKANA S 57

HAFATRA FAHA-S 57 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 31 Marsa 2020

Ezek 5/11 « Eny raha velona koa AHO JEHOVAH MPANJAKA, fa nohon’ny nandotoanao ny fitoerako Masina tamin’ny zava-dratsinao rehetra sy tamin’ny fahavetavetanao rehetra. IZAHO kosa dia hampiala ny masoko fa tsy hiantra, eny IZAHO dia tsy hamindra fo. »

Ry zanak’olombelona ô! Hoy ny Teniko Ezek 7/2bInjao ny farany, Eny mby akaiky ny farany ho amin’ny vazan-tany efatra. Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany. Ary tsy hiantra anao ny masoko sady tsy hamindra fo aho

Mbola averiko aminao ihany fa ny afo, ny tany, ny rivotra ary ny rano, ireo ilay zava-masina voaloto sy voavetaveta ka dia tezitra. Raha ny mety aminareo olombelona dia ny manaisotra ireo fahavetavetana izay ilonan’ny olona ireo rehareha isan-karazany Ezek 7/5Izao no lazaiko JEHOVAH Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy”  Ry mponin’ny tany ô! Mibebaha, ialao ny fahotana fa mandoza. Tsy hainao faritana sy fehezina ny zava-misy. Mba misy miantso ny anarako ve? Firy no mino an’I JESOSY. Inona no hainareo izao? Inona no hantenainareo? Ny loza misesy sy miverimberina dia loza tsy hay tohaina. Satria nahoana? Satria ireo singa masina ireo dia voalotonareo ka dia amin’ny alalan’ny fahatezerana no anehoany ny alahelony. Satria ny tany no mihazona ny zava-drehetra ka dia avy ao daholo no mivoaka ny loza. Ny afo dia avy ao anaty tany ka dia tsy hay vonoina. Toy izany koa ny rano , tsy hay tohaina, toy izany koa ny rivotra, tsy hay sakanana, ny tany moa dia izay efa tany izay ka tsy toha ny loza avoakany. Ho aiza hianareo? Manana fanafody inona? Mikaroka fiomba manahoana? Raha tianareo ny hanana fahasalamana feno dia raiso indray ity fa sady mora no azo atao tsara. Satria AHO JEHOVAH niteny taminao hoe isaky ny amin’ny 12 ora, hatramin’ny 7 minitra miakohofa AMIKO fa IZAHO no mampanao izany. Noho izany ilainao sy mitaratra anao ka mipaka hatrany amin’ny taovanao, lalandranao sy ny hozatra rehetra, eny mihatra hatrany amin’ny taolana sy ny tsoka. Dia izao no ataovy: ny 7 minitra alohan’ny mitataovovonana dia mitsangàna ianao eny an-tokotaninao mba hotarafin’ny masoandro fa izy no tompon’izany ASA izany, fa na dia ny singam-bolonao aza dia hahazo ny anjarany, indrindra moa fa ny hoditra. Aza adino fa mandritra ny 7 minitra dia VAVAKA AMIKO ihany no atao fa tsy zavatra hafa akory. Indro Aho hanome anareo fanafody ara-boajanahary indray hampaharana sy hanomezana anareo ny hery fiarovana hanoherana ireo karazana aretina mitady handringana sy hamono anareo.

Mbola hitohy

JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY

Ny nomeraon’ny Mpanompon’Andriamanitra: 03312 46143, 03444 96648, 03258 96677 antsoy izy raha misy tianao hanontaniana na hihaonana. Aelezo maika izao mba ho fantatry ny olona, afaka angatahinao eto ny CD tokana mirakitra ireo fichier Word hafatr’i JEHOVAH mivantana efa maherin’ny 450 isa efa nandeha teto nanomboka taona 2012 izay nahazoana baiko avy amin’i JEHOVAH haseho fb ho hitan’ny besinimaro: hafatra 001 hatramin’ny hafatra GV202, ny hafatra S (Spécial) rehetra. Efa misy ekipa mpanompon’Andriamanitra mandika izany amin’ny teny vahiny koa.

FANDAHARANA AMIN’ NY RADIO “JEHOVAH miteny mivantana” IHAINOANAO IZAO HAFATRA IZAO

- ANTSIVA FM 97.6 : Alarobia maraina amin’ ny 5ora sy 30 mn : 15mn

- RMK FM 102.4 : Asabotsy amin’ ny 12 ora atoandro : 30mn

- SOA radio FM 96.8 Antananarivo sy ITASY hatrany Ankadinondry Sakay : Alahady maraina 6 ora sy sasany: 30mn

COMPTES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO AO AMIN’NY JOURNALNY (mur na journal fa tsy MP Mpanompon’Andriamanitra mpiandraikitra no voatendry hampita ireo ao amin’ny facebook, email sy ao amin’ny Radio) :

- Jehovah Andriamanitra

- Jehovah Mpanjaka Mandrakizay

- Faminaniana Sy Fanambarana

- Miteny ny Lanitra (io no kaonty mbola malalaka handray amis fb)

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany

- Situveu Lelouer (teny frantsay)

- Heistheone Waytoheaven (teny anglisy)

PAGES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO IHANY KOA :

- Faminaniana sy Fanambarana ho an’ izao tontolo izao, (publication nanomboka 2012)

- Jehovah Andriamanitra page, (publication nanomboka 2012)

- Unique Vérité Chrétienne (teny frantsay)

- Know Everything (teny anglisy)

- Je veux Toutsavoir (teny frantsay)

GAZETY EFA MIARA-MIASA :

Ny Valosoa ( Talata sy Sabotsy ihany)

EMAIL : Jehovahandriamanitra@gmail.com


Para tumingin o magdagdag ng komento, mag-sign in

Higit pang artikulo ni Hosana NY AVO Lantonirina

  • HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-60), MADAGASIKARA 4 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Isaia 46/8-10…

  • HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-59), MADAGASIKARA 3 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Lioka 21/26 “Ka…

  • HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA FAHA-S 58 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 02 Aprily 2020 Jeremia…

  • HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA (S-56), MADAGASIKARA 29 MARTSA 2020 Apok 22/2: FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO…

  • VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    HAFATRA MANOKANA (S-53), MADAGASIKARA 25 MARTSA 2020 Amosa 3:7 “Tsy manao nainona na inona tokoa IZAHO JEHOVAH TOMPO…

  • TORO-HEVITRA COVID 1

    TORO-HEVITRA COVID 1

    HAFATRA MANOKANA (S-54), MADAGASIKARA 27 MARTSA 2020 Isaia 1/28 “Ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota…

  • GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 198), MADAGASIKARA 16 MARTSA 2020 TANTERAKA MANERAN-TANY IRETO…

  • GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 199), MADAGASIKARA 19 MARTSA 2020 Jaona 13: 34 “Didy vaovao no…

  • VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    FANAMBARANA, FANAMBARANA, FANAMBARANA, FAMONJENA, FITIAVANA, FAMINDRAM-PO FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO…

  • REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    Message du 06/01/2020 Matthieu 21/43 : »C’est pourquoi, ajouta Jésus, Je vous le déclare : « Le Royaume de JEHOVAH vous…