VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

HAFATRA MANOKANA (S-53), MADAGASIKARA 25 MARTSA 2020

Amosa 3:7 “Tsy manao nainona na inona tokoa IZAHO JEHOVAH TOMPO, Raha tsy milaza ny heviTRO amin’ny mpaminany manompoKO”

Ry mpihaino sy mpamaky hajaina, IZAHO JEHOVAH dia mba manana FANAMBARANA ataoko sy lazaina aminareo olombelona. Hono ho’AHO? Efa mba nihevitra sy nandinika va hianareo hoe: inona izao zava-misy tonga eo aminareo izao? Ady, loza, aretina, mosary sns…. Indro ho any amin’ny FAHAVEREZAN-KEVITRA LALINA tokoa ianareo ary dia hifanondrotondro. Amiko dia samy diso ka tsy misy afa-miala eo anatrehako JEHOVAH na dia iray akory aza. Tsy aleonareo ve miaiky, tsy aleo mifona sy mibebaka ao amin’I JESOSY? Fa IZY irery ihany no mpamela heloka sy mpamindra fo Matio 9: 6a “Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona (JESOSY) manana fahefana ety ambonin’ny tany hamela heloka”. Rahoviana ihany re hianareo ry mponin’ny tany vao mba tena hino sy hahalala FAHAMARINANA e? Izao no fotoana fa aza variana. Areti-mandringana ve? Mbola hisy hafa ho avy ange ê! Izany indrindra no mahatonga AHY hampitodika anareo aty AMIKO satria tokana ny VAHAOLANA ho anareo. Ry mponin’ny tany ô! Aoka re izay ny FANOHERANA sy ny FANKAHALANA AHY JEHOVAH ê! Samy tiako hovonjena avokoa ny VAZANTANY efatra ka avelao AHO hanambara. Io no fotoanantsika amin’ny 7 ora, amin’ny 12 ary amin’ny 3 ora tolakandro, na amin’ny 7 hariva kosa dia an’ny mpianakavy. Ento am-bavaka mba tsy ho tody eo aminareo sy ny FIRENENAREO ny aretina Salamo 91:5-8 “Tsy hatahotra ny horohoro nony alina hianao, Na ny zana-tsipika manidina nony andro, Na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana. Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo ankavananao, Dia tsy hihatra aminao izany. Hijery maso fotsiny hianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy”. Noho izany asandrato ny vavakareo hijereko anareo sy hanirahako anjely hiaro anareo ary ny FANAHY MASINA tsy hiala eo aminareo fa FANJAKAKO izany. Ireo ny andro hifadianareo hanina –Alakamisy 26 Marsa 2020, Zoma ary Asabotsy 27-28 2020. Izay afaka manao dia manao ary aoka tsy hisy hahasakana anao. Na inona na inona mitady handringana anareo! Ny vavaka ataonareo no hanafoanan’ny FOFON’AIN’NY VAVAKO ka inona no tsy ho levona Salamo 18: 6-9 “Fony azom-pahoriana aho dia niantso an’I JEHOVAH, Eny, Andriamanitro no nitarainako; Nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, Ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, Ary ny fanambanin’ny tendrombohitra nihorohoro; Eny nihozongozona ireo satria tezitra JEHOVAH. Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, Ary afo avy teo am-bavany no nandevona. Ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary haizim-pito no teo ambanin’ny tongony”. Izany AHO JEHOVAH ka mba andramo ihany. 

Indro misy santionany amin’ny voalazako teo aloha roa taona izay ho fampiomanako anareo tamin’izany andro izany Hafatra GV38 “Hiara-mitontona ambany masoandro ny zavatra rehetra koa aza variana fa fantaro amin’ izay izay làlana marina fa ao amin’ ny FANAHY MASINA no manambara sy milaza aminao ny tokony hatao rehetra. Ho avy ny fotoana ho very hevitra izao tontolo izao, tsy fandriam-pahalemana, FAHIRANO amin’ ny firenena isan-karazany, mifandringana sy mifandripaka amin’ ny tsy fisian-kanina, tsy fahampiam-pitaovana, samy hitahiry sy hanafina ny azy izay manana tahiry ka hianahana ireo rehetra izay tsy mino. RAHA IZAHO IANAO MBA MITEHIRIZA IHANY izay azo tehirizina. Mosary? Ho maina ny tany, tsy mamokatra ny fambolena, na ny biby fiompy aza tsy hahita hosotroina. Mirongatra ny bibidia. Lo ny tahiry be an-taona maro, tsy azo ohanina izany fa mahafaty. Mandringana ny aretina, atao hoe areti-mifindra ve? Toa tsy izany! HAFAHAFA! Ry zanak’ olombelona o! MIVERENA, MITODIHA, MIJERE HAINGANA LALAN-TOKANA, LALA-MARINA fa AZA ZATRA mandeha amin’ ny tsy fahalalana sy tsy fahamarinana fa mahafaty izany. MADAGASIKARA VE? IADIVAN’ NY FIRENENA MARO. Fa TANDREMO FA AHY JEHOVAH IZANY FIRENENA IZANY, MASINA HO AHY, HANEHOAKO ZAVA-MAHAGAGA, ZAVA-BAOVAO, ZAVA-MARINA ARY HISEHOAKO MANERAN-TANY FA IZAHO NO JEHOVAH. HO AVY IZANY AMIN’ NY FOTOAN’ ANDRO DIA HO GAGA IZAO TONTOLO IZAO, DIA NY FIFOHAZAM-PANAHY”

Amen

Contact : 033 12 461 43

Para tumingin o magdagdag ng komento, mag-sign in

Higit pang artikulo ni Hosana NY AVO Lantonirina

  • HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-60), MADAGASIKARA 4 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Isaia 46/8-10…

  • HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-59), MADAGASIKARA 3 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Lioka 21/26 “Ka…

  • HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA FAHA-S 58 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 02 Aprily 2020 Jeremia…

  • HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA FAHA-S 57 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 31 Marsa 2020 Ezek 5/11 « Eny raha…

  • HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA (S-56), MADAGASIKARA 29 MARTSA 2020 Apok 22/2: FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO…

  • TORO-HEVITRA COVID 1

    TORO-HEVITRA COVID 1

    HAFATRA MANOKANA (S-54), MADAGASIKARA 27 MARTSA 2020 Isaia 1/28 “Ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota…

  • GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 198), MADAGASIKARA 16 MARTSA 2020 TANTERAKA MANERAN-TANY IRETO…

  • GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 199), MADAGASIKARA 19 MARTSA 2020 Jaona 13: 34 “Didy vaovao no…

  • VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    FANAMBARANA, FANAMBARANA, FANAMBARANA, FAMONJENA, FITIAVANA, FAMINDRAM-PO FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO…

  • REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    Message du 06/01/2020 Matthieu 21/43 : »C’est pourquoi, ajouta Jésus, Je vous le déclare : « Le Royaume de JEHOVAH vous…