HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

HAFATRA MANOKANA FAHA-S 58 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 02 Aprily 2020

Jeremia 29/11 « Fa IZAHO JEHOVAH mahalala ny hevitra hiheverako anareo, hoy Aho JEHOVAH, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany. »

Ry mponin’ny tany ô! Avaratra, atsinanana, atsimo, andrefana. Aza adino fa eo am-pelatanako izao tontolo izao. IZAHO JEHOVAH no tompony, namorona sy mahalala izay eo aminy. Eny ianao io indrindra, ny olona toa anao mety tsy mahalala anao, izay momba anao, izay mety aminao, izay manahirana anao, izay tsy ampy ary izay mety mampalahelo anao koa. Fa ny tiako JEHOVAH holazaina aminao araka ny toky nomeko anao dia izao: Reraka hianareo amin’izao zava-misy izao: sahiran-tsaina, very hevitra, malahelo, miady hevitra, tsy mahita vaha-olana, tsy mahita tory, tsy ampy izay hohanina, izay hamidy, very fanahy nohon’ny zava-misy, tezitezitra, sorisorena, tsy manam-pifaliana, te-hitroatra, te-hifamaly, te-hiady, te-handositra, te-ho faty. Izao an, ny vavaka tsy ampy eo aminareo, sy ny tsy fanananareo an’I JESOSY no miteraka ireo voalaza etsy ambony. Tsarovy fa tsy ny fahampian-tsakafo izay heverinareo ihany no tsy hanananareo ny HERY FIAROVANA. Fa ny fisian’ireo voalaza rehetra ireo dia mandany sy mandripaka ny Hery Fiarovana eo aminareo ka dia mifandimby eo aminareo ny aretina. Ity ary ny sakafo manafeno ny Hery Fiarovana anareo. Tsotra sy azo antoka ary mora atao, mahasalama, mahasitrana sy mampahatanjaka sns… araho tsara fa vitsy: 1. Beterave kely (1), 2. Tamotamo sahabo->ankihiben-tanana, 3. Sakamalaho sahabo->ankihiben-tanana, 4. Ravina épinard eran’ny Tanana kelikely raha tsy mahita soloy ravina solila kelikely, 5. Persila tokony ho eran’ny Tanana an’ila. Ampitovio ny habetsak’ireo ravina ireo 6. Voasary makirana iray 7. Tantely. Toy izao no fampiasanareo olombelona ireo: AKAMBANO IREO ARY TOTOY MIARAKA. Rehefa voatoto dia asiana rano 1 litatra. TATAVANO REHEFA VOATOTO TSARA. Rehefa voatatavana tsara dia asio tantely 7 SOTRO LEHIBE, afangaroy tsara. Raha tena sarotra aminao ny tantely ataovy telo sotro ihany. MISOTROA TAPA-KAOPY alohan’ny sakafo ny ISA-MARAINA ny 10 taona hatramin’ny 15 taona. Ny taona ankoatr’izay misotroa 1 kaopy. Mandritra ny 3 andro ihany no hanaovana izany. Mandritry ny 3 herinandro. Rehefa vita izany dia ajanony dia ho hitanao fa raha marary hianao? Sitrana, reradreraka? Matanjaka. Aoriana indray homeko JEHOVAH ny asan’ireo voasoratra etsy ambony.

 Isaia 45/11Izao no lazaiko JEHOVAH, ny IRAY masin’ny Israely, dia ny namorona azy: Ny amin’ny zavatra ho avy no hanontanio Ahy: Ary ny zanako sy ny asan’ny tànako dia aoka ho adidiko ihany.

Raha mijery anareo olombelona avy aty ambony AHO JEHOVAH dia hitako misaritaka hianareo, mikorontana, mifanondrotondro, tsy mahita lalan-kivoahana, tsy mifamela heloka, mifanaratsy, tsy mifampahatoky. Ahoana re no ho fiafaranareo ê! Matahotra be fa hisy bolantany handona ny tany. Efa elabe AHO JEHOVAH no nanambara izany fa hianareo tsy nandray. Vakio ny Hafatra laharana 46/1, 46/4/1, 46/4/2, 46/9 izay efa navoaka teto ny taona 2014. Vakio ireo dia ho fantatrao fa fitiavako JEHOVAH ny tany sy izay eo aminy no anton’izany rehetra izany. Ny Hafatro? Samia mibebaka fa raha midoboka io dia hampakatra ny ranomasina an-tanàna. Zava-doza koa izany.

Mbola hitohy

JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY

Ny nomeraon’ny Mpanompon’Andriamanitra: 03312 46143, 03444 96648, 03258 96677 antsoy izy raha misy tianao hanontaniana na hihaonana. Aelezo maika izao mba ho fantatry ny olona, afaka angatahinao eto ny CD tokana mirakitra ireo fichier Word hafatr’i JEHOVAH mivantana efa maherin’ny 450 isa efa nandeha teto nanomboka taona 2012 izay nahazoana baiko avy amin’i JEHOVAH haseho fb ho hitan’ny besinimaro: hafatra 001 hatramin’ny hafatra GV202, ny hafatra S (Spécial) rehetra. Efa misy ekipa mpanompon’Andriamanitra mandika izany amin’ny teny vahiny koa.

FANDAHARANA AMIN’ NY RADIO “JEHOVAH miteny mivantana” IHAINOANAO IZAO HAFATRA IZAO

- ANTSIVA FM 97.6 : Alarobia maraina amin’ ny 5ora sy 30 mn : 15mn

- RMK FM 102.4 : Asabotsy amin’ ny 12 ora atoandro : 30mn

- SOA radio FM 96.8 Antananarivo sy ITASY hatrany Ankadinondry Sakay : Alahady maraina 6 ora sy sasany: 30mn

COMPTES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO AO AMIN’NY JOURNALNY (mur na journal fa tsy MP Mpanompon’Andriamanitra mpiandraikitra no voatendry hampita ireo ao amin’ny facebook, email sy ao amin’ny Radio) :

- Jehovah Andriamanitra

- Jehovah Mpanjaka Mandrakizay

- Faminaniana Sy Fanambarana

- Miteny ny Lanitra (io IHANY no kaonty mbola malalaka handray amis fb)

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany

- Situveu Lelouer (teny frantsay)

- Heistheone Waytoheaven (teny anglisy)


PAGES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO IHANY KOA :

- Faminaniana sy Fanambarana ho an’ izao tontolo izao, (publication nanomboka 2012)

- Jehovah Andriamanitra page, (publication nanomboka 2012)

- Unique Vérité Chrétienne (teny frantsay)

- Know Everything (teny anglisy)

- Je veux Toutsavoir (teny frantsay)

GAZETY EFA MIARA-MIASA :

Ny Valosoa ( Talata sy Sabotsy ihany)

EMAIL : Jehovahandriamanitra@gmail.com

Para tumingin o magdagdag ng komento, mag-sign in

Higit pang artikulo ni Hosana NY AVO Lantonirina

  • HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-60), MADAGASIKARA 4 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Isaia 46/8-10…

  • HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-59), MADAGASIKARA 3 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Lioka 21/26 “Ka…

  • HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA FAHA-S 57 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 31 Marsa 2020 Ezek 5/11 « Eny raha…

  • HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA (S-56), MADAGASIKARA 29 MARTSA 2020 Apok 22/2: FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO…

  • VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    HAFATRA MANOKANA (S-53), MADAGASIKARA 25 MARTSA 2020 Amosa 3:7 “Tsy manao nainona na inona tokoa IZAHO JEHOVAH TOMPO…

  • TORO-HEVITRA COVID 1

    TORO-HEVITRA COVID 1

    HAFATRA MANOKANA (S-54), MADAGASIKARA 27 MARTSA 2020 Isaia 1/28 “Ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota…

  • GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 198), MADAGASIKARA 16 MARTSA 2020 TANTERAKA MANERAN-TANY IRETO…

  • GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 199), MADAGASIKARA 19 MARTSA 2020 Jaona 13: 34 “Didy vaovao no…

  • VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    FANAMBARANA, FANAMBARANA, FANAMBARANA, FAMONJENA, FITIAVANA, FAMINDRAM-PO FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO…

  • REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    Message du 06/01/2020 Matthieu 21/43 : »C’est pourquoi, ajouta Jésus, Je vous le déclare : « Le Royaume de JEHOVAH vous…