HAFATRA MANOKANA

HAFATRA MANOKANA (S-56), MADAGASIKARA 29 MARTSA 2020

Apok 22/2: FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO

Salamo 91/6 “Na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana .” 

IZAHO JEHOVAH dia misaotra anareo rehetra tsy an-kanavaka, izay nanao VAVAKA FIFADIAN-KANINA na Firenena taiza, na Faritany aiza. Henoko avokoa ny TONOM-BAVAKAREO na andro na alina. Anjarako JEHOVAH no mamaly anareo sy miahy anareo. Mbola averiko ihany izay efa nolazaiko tany aloha. Hoy ny FANAMBARAKO: Ny FAHOTANA no miteraka loza, mamadika anareo ny FAHAFINARETANA ilonanareo, namadika anareo ny LALANA noforoninareo ka hoy AHO JEHOVAH hoe: MIBEBAHA fa izany ihany no FANAFODY. Aoka hanana TOKY sy ANTOKA izay manana an’I JESOSY ho MPANJAKANY sy MPAMONJINY, ahoana hoy ny TENY Jaona 18/37: “Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Ianao. Jesosy namaly hoe: voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao. dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” (Jaona 4/42b). Toy izao no FAHAMARINANA: “Fantatro JEHOVAH fa betsaka aminareo no mametra-panontaniana ny AMIKO sy ny FOMBAKO. Aoka ho fantatrareo fa misy antony avokoa ny famoronana nataoko. Nahoana no misy ny volana? Ny kintana? Ny masoandro? Toy izany ny zava-maniry, ambonin’ny tany, ambanin’ny tany. Manontany anareo olombelona ary AHO, mampaninona ny fary? Ny karaoty? Ny haricot vert? ny voanjo, ny ovy? Ny ravim-boaloboka? Ny ravi-mangahazo? Ny poireau? Ny akondro? Ny kininim-potsy, ny ravim-boafotsy? Ny anamalaho? Ny mananasy??? Fantatrao misy dikany avokoa ny famoronana nataoko. Hianao olombelona aza miezaka mamantatra, ka raha IZAHO IZAY MPAMORONA ve no miteny dia hafahafa aminareo? Navelako tsara aloha hianareo niteny vao hiteny AHO. Adinonareo ve ny fanambarako tany aloha hoe Gen 2/9: “Ary nampaniriko JEHOVAH teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana ary ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”. Fa rehefa vita ny famoronana nataoko dia nentiko i Adama izay olombelona noforoniko voalohany ka nasehoko azy sy nampianariko azy avokoa ny zava-drehetra tao amin’ny saha, ny zava-maniry sy ny antony, ny voankazo sy ny dikany. Ka araho tsara ary izao ambarako izao fa azo atao tsara ary toy izao ny dikany Gen 2/15: “Ary IZAHO JEHOVAH nitondra ka namponina an-dralehilahy tao amin’ny saha edena HIASA SY HITANDRINA azy.” Apok 22/2b: “ ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro” . Izao izany ry mponin’ny tany ô! Ka inona no tokony hahagaga anareo? Hianareo anie mahalala fa ampiako fotsiny izay tsy ampy sy tsy fantatrareo ê. Toy izao ary ny fampiasanareo ny ravina. IZAHO JEHOVAH no miteny fa tsy olombelona. Mampiasa olona fotsiny AHO ho fitaovana ampiasaiko. Ny ravina izay omeko eto dia manasitrana ny aretina toy izao mandalo ambonin’ny tany izao sady azo ampiasaina tsara: Ampangotrahy miaraka ireto: Rano 2 litatra atao evoka mitokana ho an’izay marary. Sokafana kosa hanenika ny efitrano ho fanefitry ny mpianakavy. Ravintsara raviny 7 miaraka amin’ny tahony: manala ny havizanana sy ny manakotsako sy ny manaintaina. Kininim-potsy raviny 7 miaraka amin’ny tahony manala ny fanaviana sy ny tazo. Ariandro: raviny 3 manala ny kohaka sy manokatra ny tratra izay tery, miasa ao amin’ny fitaovam-pisefoana (menthe io, manitra be). Hatao evoka alohan’ny hatory ireo, azo handroana tsara ny ranon’ny ravina, avy eo mibonoka tsara hahazo hatsembohana. Raha mafana hoditra indray: mangalà huile coco (diloilo koko hoy hianareo) Jakoba 5/15 Hosory ireto faritra reto fa hihena ny hafanana, maraina vao mifoha sy alohan’ny hatory rehefa vita ny evoka.

- Loha malemy-ny fihirifana roa

- Ilay lavaka eo amin’ny tenda

- Ilay lavaka eo an-katoka

- Ao ambany helika roa

- Eo am-bavafo

- Eo ambany foitra

- Eo amin’ny lanton-tsandry roa

- Eo amin’ny laferana roa

- Eo amin’ny faran’ny hazon-damosina ambany

- Ny felatanana roa

- Faladia anankiroa

Mazotoa dia mahereza. Raha misotro dia ataovy amin’ny anaran’I JESOSY. Raha manao ny osotra ataovy amin’ny anaran’I JESOSY. Raha manao ny evoka ataovy amin’ny anaran’I JESOSY. Afaka misotro iray kaopy isa-maraina aza atao mihoatra ny telo andro. Isa masina avokoa ireo fa salamà ê!

AMEN

JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY

Misy Mpanompon’Andriamanitra efa voatokana mandray anao: 03312 46143, 03444 96648, 03258 96677 antsoy izy raha misy tianao hanontaniana na hihaonana.

Aelezo maika izao mba ho fantatry ny olona, afaka angatahinao eto ny CD tokana mirakitra ireo fichier Word hafatr’i JEHOVAH mivantana efa maherin’ny 450 isa nahazoana baiko avy amin’i JEHOVAH haseho ho hitan’ny besinimaro, efa nandeha rehetra teto nanomboka taona 2012: hafatra 001 hatramin’ny hafatra GV202, ny hafatra S (Spécial) rehetra. Efa misy ekipa mpanompon’Andriamanitra mandika izany amin’ny teny vahiny koa.

FANDAHARANA AMIN’ NY RADIO “JEHOVAH miteny mivantana” IHAINOANAO IZAO HAFATRA IZAO

- ANTSIVA FM 97.6 : Alarobia maraina amin’ ny 5ora sy 30 mn : 15mn

- RMK FM 102.4 : Asabotsy amin’ ny 12 ora atoandro : 30mn

- SOA radio FM 96.8 Antananarivo sy ITASY hatrany Ankadinondry Sakay : Alahady maraina 6 ora sy sasany: 30mn

COMPTES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO AO AMIN’NY JOURNALNY (mur na journal fa tsy MP) : 

- Jehovah Andriamanitra

- Jehovah Mpanjaka Mandrakizay

- Faminaniana Sy Fanambarana

- Miteny ny Lanitra (io IHANY no kaonty mbola malalaka handray amis fb)

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany

- Situveu Lelouer (teny frantsay)

- Heistheone Waytoheaven (teny anglisy)

Mpanompon’Andriamanitra mpiandraikitra no voatendry hampita ireo ao amin’ny facebook sy ao amin’ny Radio

PAGES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO IHANY KOA : 

- Faminaniana sy Fanambarana ho an’ izao tontolo izao, (publication nanomboka 2012)

- Jehovah Andriamanitra page, (publication nanomboka 2012)

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany English

- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany Français

- Unique Vérité Chrétienne (teny frantsay)

- Know Everything (teny anglisy)

- Je veux Toutsavoir (teny frantsay)

GAZETY EFA MIARA-MIASA : 

Ny Valosoa ( Talata sy Sabotsy ihany)

EMAIL : Jehovahandriamanitra@gmail.com

Para tumingin o magdagdag ng komento, mag-sign in

Higit pang artikulo ni Hosana NY AVO Lantonirina

  • HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-60), MADAGASIKARA 4 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Isaia 46/8-10…

  • HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-59), MADAGASIKARA 3 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Lioka 21/26 “Ka…

  • HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA FAHA-S 58 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 02 Aprily 2020 Jeremia…

  • HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA FAHA-S 57 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 31 Marsa 2020 Ezek 5/11 « Eny raha…

  • VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    HAFATRA MANOKANA (S-53), MADAGASIKARA 25 MARTSA 2020 Amosa 3:7 “Tsy manao nainona na inona tokoa IZAHO JEHOVAH TOMPO…

  • TORO-HEVITRA COVID 1

    TORO-HEVITRA COVID 1

    HAFATRA MANOKANA (S-54), MADAGASIKARA 27 MARTSA 2020 Isaia 1/28 “Ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota…

  • GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 198), MADAGASIKARA 16 MARTSA 2020 TANTERAKA MANERAN-TANY IRETO…

  • GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 199), MADAGASIKARA 19 MARTSA 2020 Jaona 13: 34 “Didy vaovao no…

  • VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    FANAMBARANA, FANAMBARANA, FANAMBARANA, FAMONJENA, FITIAVANA, FAMINDRAM-PO FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO…

  • REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    Message du 06/01/2020 Matthieu 21/43 : »C’est pourquoi, ajouta Jésus, Je vous le déclare : « Le Royaume de JEHOVAH vous…