HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020
HAFATRA MANOKANA (S-59), MADAGASIKARA 3 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO
Lioka 21/26 “Ka ho reraka ny fonareo zanak’olombelona nohon’ny fahatahoranareo sy ny fiandrasanareo izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany, fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina .”
Ry zanak’olombelona ambany masoandro ô! Matahotra tokoa hianareo amin’ny zavatra ho avy ary dia reraka tokoa ny fo sy fanahinareo Lioka 21/35-36: “Fa hihatra amin’izay mitoetra ety ambonin’ny tany rehetra izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona” . Izay voasoratra tao anaty Baiboly sy teny HAFATRA ary soratra nampitondraiko ireny mpaminany mpanompoko ireny dia aza adino fa marina avokoa. Asan’izy ireny ny mitondra hafatra avy aty AMIKO JEHOVAH, miteny ho an’ny fiangonana, ho an’ny Tanàna, ho an’ny firenena ary amin’izao vanimpotoana izao dia ho an’izao tontolo izao mihitsy, tsy an-kanavaka ho an’ny vazantany efatra satria tokana ny TANJOKO ho anareo dia FAMONJENA. Lioka 21/28: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny FANAVOTANA anareo.”. Hitanareo amin’izany fa na inona na inona programan’I losifera fa izy dia manao ezaka betsaka handringanana ny tany sy izay eo aminy. Indrindra fa hianareo olombelona, aza adino fa fahavalony hianareo Kanefa tsarovy ity teniko aminao androany ity. Efa maty JESOSY hamonjy anareo, ary nitsangana tamin’ny maty hahatanteraka ny TENIFIKASANA ny amin’ny FIAINANA MANDRAKIZAY. Hianareo toa miandry izay hilatsahan’ilay bolantany ratsy? Zava-doza anie io raha milatsaka ê! Ary ilay FITSARANA rehefa tonga? Toa tsy mba mampitahotra anareo? Novakianareo ve ireo HAFATRA mikasika ireo bolantany ratsy sy ny zavatra maro miaraka aminy? Ry olombelona ô! Tonga ny fotoana izay maha-very hevitra anareo. Moa tsy efa nambarako ve tamin’ny alalan’ireo mpanao gazety nantsoiko sy nanoratako izao zava-misy izao? Indrisy fa raha mba nihaino AHY hianareo olombelona fa IZAHO efa niantso hatry ny ela tsy misy izay mampitahotra anareo. Mbola ho avy koa izany ANTSO hoe “Mivoaha daholo, andao hilahatra, anaovy ny akanjo fotsy, ento ny Baiboly ê!” Tsia, tsia! Mijanùna ihany, eny aleo mivavaka ao an-trano fa loza no any.
JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY
Ny nomeraon’ny Mpanompon’Andriamanitra: 03312 46143, 03444 96648, 03258 96677 antsoy izy raha misy tianao hanontaniana na hihaonana. Aelezo maika izao mba ho fantatry ny olona, afaka angatahinao eto ny CD tokana mirakitra ireo fichier Word hafatr’i JEHOVAH mivantana efa maherin’ny 450 isa efa nandeha teto nanomboka taona 2012 izay nahazoana baiko avy amin’i JEHOVAH haseho fb ho hitan’ny besinimaro: hafatra 001 hatramin’ny hafatra GV202, ny hafatra S (Spécial) rehetra. Efa misy ekipa mpanompon’Andriamanitra mandika izany amin’ny teny vahiny koa.
FANDAHARANA AMIN’ NY RADIO “JEHOVAH miteny mivantana” IHAINOANAO IZAO HAFATRA IZAO
- ANTSIVA FM 97.6 : Alarobia maraina amin’ ny 5ora sy 30 mn : 15mn
- RMK FM 102.4 : Asabotsy amin’ ny 12 ora atoandro : 30mn
- SOA radio FM 96.8 Antananarivo sy ITASY hatrany Ankadinondry Sakay : Alahady maraina 6 ora sy sasany: 30mn
COMPTES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO AO AMIN’NY JOURNALNY (mur na journal fa tsy MP Mpanompon’Andriamanitra mpiandraikitra no voatendry hampita ireo ao amin’ny facebook, email sy ao amin’ny Radio) :
- Jehovah Andriamanitra
- Jehovah Mpanjaka Mandrakizay
- Faminaniana Sy Fanambarana
- Miteny ny Lanitra (io IHANY no kaonty mbola malalaka handray amis fb)
- Zavamiafin’ny Lanitrasynytany
- Situveu Lelouer (teny frantsay)
- Heistheone Waytoheaven (teny anglisy)
PAGES FACEBOOK AHITANAO IREO HAFATRA IREO IHANY KOA :
- Faminaniana sy Fanambarana ho an’ izao tontolo izao, (publication nanomboka 2012)
- Jehovah Andriamanitra page, (publication nanomboka 2012)
- Unique Vérité Chrétienne (teny frantsay)
- Know Everything (teny anglisy)
- Je veux Toutsavoir (teny frantsay)
NY GAZETY MBA EFA MIARA-MIASA :
Ny Valosoa ( Talata sy Sabotsy ihany)
EMAIL : Jehovahandriamanitra@gmail.com