TORO-HEVITRA COVID 1

HAFATRA MANOKANA (S-54), MADAGASIKARA 27 MARTSA 2020

Isaia 1/28 “Ary samy haringana avokoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny ho lany ritra izay mahafoy AHY JEHOVAH” 

Ry mponin’ny tany tsy an-kanavaka, ho anareo izay manam-pofon’aina ankehitriny miaina ambany masoandro! Mbola afaka mihaino AHY JEHOVAH tsara hianareo ary aoka hino sy hanaiky izay lazaiko. Izao no fotoana tsy ahafahanareo manao izay tianareo hatao intsony, fa maninona???? Araho ny Teniko dia tanteraho fotsiny raha te-hahita FAMONJENA hianareo olombelona sady FAMONJENA avy aty AMBONY fa tsy avy aminareo izay monina ambany. Malagasy ô! Ny zava-boahary eo aminareo dia noforoniko mba hahasoa, hahatsara, hahavelona, hanasitrana, hampahatanjaka ary mampitombo ny nofo amin’ny lafiny rehetra. Maro ny sakafo izay efa haninareo, eny na dia tsy fantatrareo aza ny dikany. Toy izany koa ny voankazo: mihinàna fa ireny dia mahasalama sy mamono otrikaretina koa no asany. Indro Aho hanome torolalana sy torohevitra anareo sady azo atao tsara. Aza adino fa IZAHO no namorona. IZAHO no mahalala ny anton’ireny sy ny fisiany araka izay namoronako azy ka aoka hianareo tsy hatahotra. Sa ve raha olombelona toa anareo dia marina fa raha IZAHO JEHOVAH dia diso? Hianareo no tena diso fa tsy IZAHO velively. Indraindray aza dia misandoka sy mandainga mihitsy. Rehefa nomeko anareo ireny fotoana fifadian-kanina ireny dia misaotra anareo sahady AHO Indro ary misy fanafody mahasakana ny aretina tsy ho tonga eo aminareo: “FANEFITRA”. Ireo karazana ravina manitra efa ataonareo dia mety tokoa: kininim-potsy, ravintsara, olive, solila, ariandro, kanelina sns… fa ny tsy ampy kely dia mila mandro rehefa vita ilay evoka. Tandremana tsara ny fofona chimique fa ireny miteraka fahasemporana (sempotra). Farany: Raha misy olona reraka be: ampangotrahy ny ravim-bomanga, 7 ihany ny isan’ny ravina, ampangotrahina amin’ny rano iray litatra, atao fisotro. Raha misy sempotra indray totoina manta ny ravim-bomanga rehefa voasasa madio tsara, atao izay hahazoana ny ranony manta ka dia sotroina 1 sotro lehibe isa-maraina mandritra ny 3 andro. Mazotoa ê! Salamà ê!

Tsy mitsahatra AHO JEHOVAH manoratra fa manana SORATRA izay tsy hainareo vakiana AHO. Sady mahafaly AHY ny manoratra amin’ny SORATRY NY LANITRA ho anareo. Rehefa tonga ny FANJAKAKO eo aminareo, dia ny SORATRA avy AMIKO no tonga eo aminareo toy izao atrehinareo izao: (Sary soratra tsy fantatra miaraka amin’izao hafatra izao)

JEHOVAH MPANJAKA MANDRAKIZAY

Misy Mpanompon’Andriamanitra efa voatokana mandray anao: 03312 46143, 03444 96648, 03258 96677 antsoy izy raha misy tianao hanontaniana na hihaonana.

Aelezo maika izao mba ho fantatry ny olona, afaka angatahinao eto ny CD tokana mirakitra ireo fichier Word hafatr’i JEHOVAH mivantana efa maherin’ny 450 isa nahazoana baiko avy amin’i JEHOVAH haseho ho hitan’ny besinimaro, efa nandeha rehetra teto nanomboka taona 2012: hafatra 001 hatramin’ny hafatra GV202, ny hafatra S (Spécial) rehetra. Efa misy ekipa mpanompon’Andriamanitra mandika izany amin’ny teny vahiny koa.

Para tumingin o magdagdag ng komento, mag-sign in

Higit pang artikulo ni Hosana NY AVO Lantonirina

  • HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA 04 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-60), MADAGASIKARA 4 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Isaia 46/8-10…

  • HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA NIVOAKA NY 03 APRILY 2020

    HAFATRA MANOKANA (S-59), MADAGASIKARA 3 APRILY 2020 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO Lioka 21/26 “Ka…

  • HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA S 58 nivoaka ny 02 Aprily 2020

    HAFATRA MANOKANA FAHA-S 58 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 02 Aprily 2020 Jeremia…

  • HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA MANOKANA S 57

    HAFATRA FAHA-S 57 FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO, MADAGASIKARA 31 Marsa 2020 Ezek 5/11 « Eny raha…

  • HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA

    HAFATRA MANOKANA (S-56), MADAGASIKARA 29 MARTSA 2020 Apok 22/2: FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO…

  • VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    VAVAKA : ADY AMIN' NY COVID-19

    HAFATRA MANOKANA (S-53), MADAGASIKARA 25 MARTSA 2020 Amosa 3:7 “Tsy manao nainona na inona tokoa IZAHO JEHOVAH TOMPO…

  • GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    GV 198: ZAVA-MISY MANERAN-TANY

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 198), MADAGASIKARA 16 MARTSA 2020 TANTERAKA MANERAN-TANY IRETO…

  • GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    GV 199: ADY AMIN' NY ARETI-MANDRINGANA

    FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO (GV 199), MADAGASIKARA 19 MARTSA 2020 Jaona 13: 34 “Didy vaovao no…

  • VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    VAVAKA HO AN' NY ZAVA-MISY ERAN-TANY

    FANAMBARANA, FANAMBARANA, FANAMBARANA, FAMONJENA, FITIAVANA, FAMINDRAM-PO FAMINANIANA SY FANAMBARANA HO AN’IZAO TONTOLO…

  • REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    REVELATION CONCERNANT LA TROISIEME GUERRE MONDIALE

    Message du 06/01/2020 Matthieu 21/43 : »C’est pourquoi, ajouta Jésus, Je vous le déclare : « Le Royaume de JEHOVAH vous…